Acts 6

1Ary tamin’izany andro izany, rehefa nihanitombo ny isan’ireo mpianatra, dia nanomboka nisy fitarainana nataon’ireo Jiosy miteny Grika hanoherana ireo Hebreo, satria nataon’izy ireo tsinotsinona ireo mpitondra-tenany tamin’ny fizarana sakafo isan’andro.

2Ny roa ambin’ny folo dia niantso ireo mpianatra rehetra ho any amin’izy ireo sady niteny hoe: “Tsy mety ho antsika raha mandao ny tenin’Andriamanitra mba hikarakara ireo latabatra. 3Noho izany ianareo dia tokony mifidy, ry rahalahy, fito aminareo, lehilahy tsara laza, feno ny Fanahy sy fahendrena, mba ho tendrenay hikarakara izany raharaha izany. 4Raha ny aminay, dia hanohy hatrany amin’ny fivavahana sy amin’ny fampianarana ny teny izahay.”

5Nahafinaritra ny olona rehetra ny teny nataon’izy ireo. Ka nifidy an’i Stefana izy ireo, lehilahy feno finoana sy Fanahy Masina, ary i Filipo, Prokoro, Nikanora, Timona, Parmena ary Nikoleo, proselyta avy any Antiokia. 6Ireo mpino dia nitondra ireo lehilahy teo anatrehan’ny Apostoly, izay nivavaka sy nametraka ny tanany tamin’izy ireo.

7Ka niparitaka hatrany ny tenin’Andriamanitra, ary ny isan’ny mpianatra tao Jerosalema dia nihanitombo be, ary mpisorona maro be kosa no lasa mpankatoa ny finoana.

8Ary i Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka. 9Fa nisy vahoaka sasany nitsangana izay an’ny synagoga izay atao hoe ny Synagogan’ny Libertina, sy an’ny Kyreniana sy Aleksandriana, ary ny sasany avy any Kilikia sy Azia. Ireo olona ireo dia niady hevitra tamin’i Stefana

10Izy ireo dia tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany i Stefana. 11Avy eo dia nisy olona nanaovan’izy ireo kolikoly mba hiteny hoe: “Efa renay i Stefana niteny ratsy momban’i Mosesy sy Andriamanitra.”

12Nanaitra ny olona izy ireo, ny loholona, sy ny mpanora-dalàna, dia nankeo amin’i Stefana izy ireo ary nisambotra azy sy nitondra azy teo anatrehan’ireo mpanolotsaina. 13Ary izy ireo dia nitondra fijoroana vavolombelona diso, dia niteny hoe: “Ito lehilahy ito dia tsy mitsahatra miteny ratsy ity toerana masina ity sy ny lalàna. 14Fa izahay dia nandre azy niteny fa io Jesosy avy any Nazareta io dia handrava ity toerana ity sy hanova ireo fomba izay natolotr’i Mosesy antsika.” Ireo rehetra izay nipetraka teo amin’ny toeran’ny mpanolotsaina dia nandinika azy ka nahita fa tahaka ny anjely ny tarehiny.

15

Copyright information for PltULB